Hisy fifidianana ihany amin’ity taona ity? Ny fisian’ny vola enti-manana no nahabe resaka ny mpanao politika sasany talohaloha teo, indrindra ny mpanohitra. Na izany aza, efa nanome toky, ohatra, ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny faran’ny herinandro teo, fa homena ny Ceni ny vola hoenti-manatontosa izany. Tsy mitsaha-manome toky koa ny Ceni fa manan-jo hisitraka tantsoroka amin’ireo mpiara-miombon’antoka izay fanatanterahana fifidianana izay i Madagasikara, izay mpikambana feno amin’ireny rafitra na fikambanana iraisam-pirenena ireny. Eo, ohatra, ny Firenena mikambana (ONU), ny Vondrona afrikanina (UA), ny Sadc… Miezaka amin’ny fanatanterahana izay fepetra na lamina amin’izany rahateo ny firenena: fampiharana ny demokrasia, fanjakana tan-dalàna, fanajana ny zon’olombelona…
Hilamina izany ny amin’ny hoenti-manana? Na izany aza, mbola mitatao amin’ny sasany ihany ny fanahiana sy fahatahorana korontana politika mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana. Izany mety hisy ve no ivoizan’ny sasany azy saika isan’andro sa ny fivoizana izany isan’andro no hampisy azy? Na misy ny manantena sy miandry hatrany fa azo averimberina ny tantara… Eo no ilàna ny fahamailoan’ny vahoaka hoe tompon’ny teny farany: izao fahasahiranana lalina sy maharitra izao ve no mbola ndeha hampiana trotraka amina krizy politika indray? Eo ny tsirairay handinika, hitsara, hanapa-kevitra… Hanao ahoana?
Politika io, arakaraka ny fifandanjan-kery sy izay kendrena amin’izany.
Mila jerena ny fiainam-bahoaka
Na izany aza, mila jerena izay fiainam-bahoaka izay. Ndrao izay tokoa no hararaotin’ny sasany havadika zavatra hafa amin’ny hoe fipoahana sosialy? Be ny zava-manahirana ny vahoaka ifotony amin’izao, mila filaminana sy fitoniana maharitra sy azo antoka hirosoana amim-pahatokisana ny fanatanterahana ny fifidianana. Eo, ohatra, ny fandriampahalemana, fa lazain’ny mpandinika sasany fa misy hatrany ny minia manakorontana rehefa ankatoka na mandritra na aorian’ny fifidianana. Izay ilay hoe korontana na krizy politika? Na avadika na terena ho izany… Miara-dalana amin’izany ny vidim-piainana tsy hita be ihany izay tena famehezana azy, ny fahavoazan’ny famokarana noho ny rivodoza sy ny andro ratsy… Mila antoka tsy hivadika zavatra hafa? Azo avadika ho misy vokany politika avokoa tsinona izay mitranga rehetra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.
R. Nd.