Nahabe resaka sy adihevitra ny amin’ny asan’ny fiangonana sy ny asan’ny fanjakana. Mifamono? Na mifameno… Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard: “Mila atodika amin’izay fiezahana hifampitantana toy ny mpirahalahy mianala izay ny fiangonana sy ny fanjakana.” Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fiarahamonina amin’izao ankatoky ny fifidianana izao?
Ramamimampionona Gérard (-): Sarobidy sy saropady ny fifidianana, maneho ny fiambonian’ny olombelona sy ny safidiny, mampita fahefana amin’ny olona. Noho izany, mila ao anatin’ny fitoniana sy fifanajana ary fahalalahana sy fahamarinana ny fanatanterahana azy. Mandray anjara amin’izany avokoa ny rehetra, ary mifanaiky tsara hisian’ny fifampitokisana. Nefa na ny mifampiresaka mivantana aza, lasa manahirana ho an’ny olona tsy mitovy hevitra na tsy mitovy kandidà hatolotra.
Zava-dehibe ny fanabeazana ny olona ho tomponandraikitra, tsy hoe mora mandray na andairan-javatra fa mamakafaka lalina: hoentina aiza ny tena? Mba tsy hisy olona hieritreritra hoe andao hikorontana, hiady… Mahalasa saina raha ny fiarahamonintsika tato ho ato. Mandeha, ohatra, ny hoe fisian’ny fivarotan-jaza: lasa resabe. Tena nisy ve? Raha nisy, aza sarontsaronana; raha tsy nisy, aza foronina. Raha nisy ilay izy na tsia, ahoana ny hamaizana izay nanao izany? Nandeha ny raharaha Ambohimanga, lasa resabe; teo ny momba ny toriteny teny Antsonjombe… Toy ny lasa tsy mahay mandray zavatra intsony isika: mifampitsaratsara; avy eo, lasa mifanaratsy, mifampihantsy, mifampiampanga, mifampiseho hery, mifandona, dia misaraka. Nefa olona tokony hiara-dia sy hifampitantana… Aty amin’ny tany toa antsika, mila mifampitantana ny fiangonana sy ny fanjakana.
* Ary ny amin’ny hoe mitady hisy fifampitsabahana andraikitra eo amin’ny fiangonana sy ny fanjakana?
– Samy manana ny hasiny, ny lanjany, ny hajany ary ny iraka ampanaovina azy ny fiangonana sy ny fitondram-panjakana eo amin’ny firenena iray. Nefa vahoaka iray ihany no iantefan’ny asan’ny fiangonana sy ny asan’ny fitondram-panjakana. Noho izany, mila mahay miara-monina sy mifameno ary mifampitantana ao anatin’ny fifampitokisana toy ny mpirahalahy mianala. Samy manao ny asa aman’andraikiny amim-pahamarinana ao anatin’ny feon’ny fieritreretany eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fitiavan-tanindrazana. Izay no antoky ny fandrosoana sy fiadanana.
Koa antenaina fa samy olobe sy raiamandreny manam-panahy, samy voaantso sy voairaka na ny mpitondra fiangonana na ny mpitondra fanjakana isan’ambaratonga. Samy afa-mandini-tena sy mandanjalanja ka mahay misoroka na mandamina izay rehetra disadisa na lonilony. Ho ohatra tsara sy velona ho an’ny mpino sy ny vahoaka tsy ankanavaka izany, ka hamamiana mandrakariva ny filaminana sy ny fitoniam-po ary ny fiaraha-monina. Hanalavitra ny fifampitsarana zary fifanaratsiana ary tonga fifampiampangana mampisaratsaraka fa tsy mahasoa antsika sy ny tanindrazana koa…
Mila atodika amin’izay fiezahana hifampitantana toy ny mpirahalahy mianala izay ny fiangonana sy ny fanjakana. Tsy afa-kifampitantana anefa raha tsy mifankatia sy mihavana ka mifanaja sy vonona hifameno. Samy mila manatanteraka ny adidy aman’andraikiny amim-pahamarinana izany, araka izay tena nanirahana azy avy.
Nangonin’i R. Nd.