« Vitrine de Vakinankaratra »: Homena vahana ny tanora mpandraharaha

Hatao ny 11, 12 ary ny 13 septambra 2025 ho avy izao, eo amin’ny Araben’ny Gara Antsirabe, ny foara «Vitrine de Vakinankaratra». Mikarakara ity andiany faha-27 ity ny Fiova Vakinankaratra, ary anisan’ny mpanohana mivantana ny orinasa Yas. Lohahevitra no­­raisina ny hoe «Ny fitomboan’ ny orinasa» na «La crois­­san­ce des entreprises».
Fotoana ahafahan’ny mpisehatra ara-toekarena rehetra mifandray mivantana, ny fikarohana mpiara-miombon’antoka, lalam-barotra sy mpamatsy akora, sns. Fa indrindra, hi­fanakalozana traikefa sy ny fomba mahomby amin’ny fandraharahana. Satria, tsapa fa tsy ampy ny isan’ny mpandraharaha tokony hiteraka fitomboan-karena sy mitondra fampandrosoana.
Nohazavain’ny mpikarakara koa fa ho ezahina ny hi­sian’ny lohahevitra vaovao mi­fanaraka amin’ny toetrandro sy ny zava-misy. Satria, tanjona ny hanomezana ainga vao amin’ny fandraharahana. Ho jerena manokana miaraka amin’ ireo mpanohana sy ny mpiara-miombon’antoka ny tanora, izay hitantana atsy aoriana kely. Ho jerena ny ahafahan’izy ireny mamorona asa. Eo koa ny fampiasana ny teknolojia niomerika, fomba hanatsarana ny fomba fitantanana.
Anisan’ny hifantohana ma­nokana ny hanohanana ny tanora mamorona orinasa ho an’ny tenany, miainga amin’ny kely. Satria, izay mahay sy mahomby ary efa manomboka no atosika, iarahana amin’ny mpamatsy vola.

Njaka A.

Partager sur: