VAOVAO TAMBATRA

Hatao ny 4 hatramin’ny 7 septambra ho avy izao ny FIA, Foara iraisam-pirenena ho an’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, eny amin’ny CCI Ivato. Hiaraka tontosaina amin’io koa ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny nahandro, andiany voalohany. Izany hoe, hiaraka ho hita eny ny lafiny famokarana, ny fanodinam-bokatra, hatrany amin’ny fandrahoan-tsakafo.
Mitentina 11 700 000 UC* ny vola avy amin’ny Bad (Banky afrikana ho an’ny fampandrosoana). Hampi­asaina amin’ny hitantanana Faritra arovana (AP) miisa 6 ity vola ity, ahitana an’Andringitra, Ambre, Nosy Hara, Lokobe ary Analamazaotra sy Mantadia. Tafiditra ao anatin’ny Tetikasa fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny alalan’ny fiarovana ny zavamananaina (PRCPB). (*Unité de compte UC= Sorabola ampiasain’ny Bad)
Nohamafisina ny fahaiza-mitantana ny tetibola ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola, ny volana aogositra teo. Lohahevitra roa no nifantohana, mahakasika ny fifanakalozana sy ny fanadihadiana ny mponina sy ny trano fonenana ary ny fambolena, ny voalohany. Faharoa, ny fampiharana ny famaritana ny haavon’ny tanàn-dehibe.

Partager sur: