Base Toliara : Madiva hifarana ny fanamboarana fotodrafitrasa sosialy

Mitohy ny fampiasam-bola ataon’ny Base Toliara miompana amin’ny fanohanana ara-tsosialy ny mponina. Mandroso ny tetikasa ary azo tsapain-tanana ny zava-bita.

Anisan’izany ny fanarenana ny EPP Ankilima­linike sy Benetse, distrika Toliara II. Vita hatrany amin’ny 80% ny asa, ankehitriny. Tratra ny fe-potoana napetraka satria hentitra ny fanatanterahana azy. Nilaza ny mpandrindra ny asa, Roland Pierre, fa « eo am-pandokoana ny rindrina amin’ity herinandro ity ».
Endrika vaovao ireo sekoly ireo amin’izao fotoana izao. Nohavaozina tanteraka ny rindrina, ny tafo, ny varavarana ary ny varavarankely. Hape­traka tsy ho ela ny kojakoja sy ny fitaovana vaovao manara-penitra, toy ny armoara sy ny dabilio. Nankasitrahin’ny mponina tanteraka izao zava-bita izao. « Isaoranay feno ny Base Toliara amin’ny zavatra rehetra nataony anay amin’ny lafiny fampandrosoana, na dia tsy mbola manomboka akory aza ny asa fitrandrahany », hoy i Nilany Rabarson Mano­sotse, Olobe ao amin’ny kaominina Ankilimalinike.
Mbola hisy ny tetikasa hafa hataon’ny Base Toliara, toy ny fanarenana ny biraon’ny kaominina, ny CEG. Eo koa ny hananganana sekoly ambaratonga faharoa vaovao any Ranobe, mahazaka mpianatra 200. Hisy ny lafiny fahasalamana sy ny famatsian-drano, hitsinjovana ny mponina.

Laharam-pahamehana ny mponina

Miverina miasa ny Vao­mieran’ny mangarahara amin’ ny fandraisana mpiasa (CTR), ahitana solontenan’ny kaominina, ny Faritra, ny minisitera teknika, sns. Andraikiny ny fanaraha- maso ny fandraisana mpiasa manodidina ny 2 000, hiasa amin’ny fananganana fotodrafitrasa. Maha­tratra 1 000 ny mpiasa ho raisina rehefa mihodina ny orinasa. Nisy fivoriana nampahafantarana ny CTR, niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny kaominina voakasika (Tsia­nisiha, Ankilimalinike, Maro­mian­dra, Belalanda ary Toliara I). « Hatao laharam-pahamehana ny olona avy amin’ireo kaominina ireo ao anatin’ny mangarahara », hoy i Rendela Diana, tomponandraikitry ny talenta sy ny fampandrosoana ao amin’ny sampana maha olona ao amin’ny Base.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: