Hotanterahina anio, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Marcel Cerdan, ao Levallois France, ny dingana fahenina farany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny «Masters 2025», taranja tsipy kanetibe. Hatreto, ekipa telo no efa fantatra fa tafita amin’ny Final four na ho inona vokatra amin’ity dingana atao ity. Anisan’ireny i Madagasikara, efa manana isa 35, mitarika vonjimaika eo amin’ny filaharana ankapobeny. Arahin’i Riviera, nahazo isa 34. Ary koa ny ekipan’i Bonetto, manana isa 31.
Efa tongotra ila ny an’i Italie no any amin’ny Final four, nahazo isa 26. Mbola ao anaty hazakazaka amin’izany kosa ny ekipa Wild Card, manana isa 23. Hiankina amin’ny lalao anio anefa no hahafantarana izay ekipa fahefatra farany amin’ ity fiadiana ny “Masters 2025” ity. Araka izany, hangotraka ny fihaonana eo amin’i Italie sy Wild Card, izay elanelana isa
3 monja no mampisaraka azy roa tonta. Ho sarotra kosa ny lalan’ilay Malagasy, Andriantseheno Christian (Racle), isa 19 sy ny an’i Dylan Rocher izay tena manify ny herijika hiakarana amin’io fingana famaranana io, satria tsy manana afa-tsy isa 16 izy ireo. Raha ny fantatra, hiova endrika indray ny ekipa malagasy amin’ity dingana fahenina ity ka hajanona indray i Tina kely ary hijoro i Zigle, miaraka amin’i Yves sy i Balôty.
Tompondaka




