Teknika fambolem-bary samy manan-danja ny voly vary maroanaka (SRI) sy ny fampiasana vary safiotra. Mifameno ireo, ary samy mihoatra ny 8t/ha ny vokatra azo.
Noraisin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa), Razanamahefa Tahian’Ny Avo, ny alarobia 3 septambra teo, ireo fikambanan’ny mpisehatra amin’ny voly vary maroanaka. Nifantoka tamin’ny fampiarahana ny teknika voly vary safiotra sy voly vary maroanaka (SRI) ny dinika. Tanjona ny hikarohana vahaolana maharitra, hampiakarana ny tahan’ny vokatra entina hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo, indrindra ny vary.
Samy manan-danja sy mifameno ireo teknikam-pambolena roa ireo. Raha ny antontanisa, nahazoana vokatra mihoatra ny 8 taonina isaky ny hekitara tamin’ny faritra enina eto amintsika ny fampiasana ny voly vary maroanaka. Teraka teto Madagasikara, ny taona 1983, ny teknika fambolem-bary nohatsaraina (SRI), na voly vary maroanaka. Efa miparitaka any amin’ny firenena afrikanina 25 sy firenena 60 maneran-tany.
Fiaraha-miasa amin’ny firenena sinoa kosa ny fampiasana ny teknikam-pambolena ny vary safiotra. Anisan’ny toerana famokarana ny masomboly ny eny Mahitsy. Efa maro ny kaominina, na distrika, hanapariahana azy, miampy ny kojakojam-pamokarana, toy ny zezika biolojika sy zezi-bazaha. Ahazoana vokatra 8 hatramin’ny 12 taonina isaky ny hekitara ihany koa ny fampiasana ny vary safiotra.
Fifaninanana mamokatra
Mampitovy ireo teknikam-pambolena roa ireo ny fampiasana ketsa tanora ary haingana koa ny fanirin’ny vary, satria telo volana dia miakatra ny vokatra.
Nomarihin’ny SESA, Razanamahefa Tahian’Ny Avo, ny maha zava-dehibe ny fametrahana fifaninanana ara-pamokarana ho an’ny tantsaha, ho fomba hanentanana sy hampitomboana ny voka-bary sy ny fahavononany. «Tsy nofinofy ny fahaleovantena ara-bary, fa azo tratrarina sy tanterahina tsara», hoy ihany izy.
Njaka
Andriantefiarinesy




