« FIA 2025 »: Fihaonamben’ny famokarana

Nisokatra omaly, 4 hatramin’ny 7 septambra, eny amin’ny CCI Ivato, tamin’ny fomba ofisialy, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono (FIA), andiany faha-7. Miaraka amin’io hetsika io koa ny Festival iraisam-pirenena ho an’ny fandrahoan-tsakafo (FIGA), andiany voalohany. Mifameno rahateo ireo roa ireo, satria ho hita amin’ny fotoana iray, ny rohim-pihariana miainga any amin’ny famokarana, ny fanodinam-bokatra, ny fitsinjarana ary miafara any amin’ny mpanjifa, hanina.
Hita eny an-toerana daholo ny mpisehatra rehetra amin’ny lafiny famokarana. Notsindrin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Rahajarison François Serge, fa ny “FIA” sy ny “FIGA” 2025 dia natao ho fototry ny fanovana, fanalahidin’ny famokarana harena sy hanasongadinana ny tetikasa. Natao ho fanavaozana ny vokatra sy ny fikarohana.
Lohahevitra amin’ity taona 2025 ity ny hoe, « Fambolena manan-danja sy maharitra ho an’ny fampandrosoana lovain-jafy ». Maneho ny zava-misy izany, sady mifanaraka amin’ny vinan’ny Filoham-pirenena, dia ny fanovana ny rafi-pamokarana, lohahevitra noraisiny mandritra ny fitantanany ny Sadc rahateo.

Njaka A.

Partager sur: