Nahitana fihenana indray ny vidin’ny atody amin’izao fotoana izao. Araka ny fanadihadiana natao teny Ambohijatovo, omaly, nilatsaka ho 450 Ariary ny kely indrindra amin’izany ankehitriny, raha toa ka 600 Ariary izany teo aloha. Ny lehibe kosa, lasa 650 Ariary raha nojifaina 850 Ariary tany aloha.
Nambaran’ireo mpivarotra fa rehefa mafana ny andro, mora ny atody, manatody tsara ny akoho amin’izao vanim-potoana izao. Somary sarotra kosa ny famokarana rehefa ririnina. “Mora mihitsy ny atody aloha amin’ity volana ity, rehefa tojo andro mangatsiaka indray ianao, mihalafo izany, na izahay aza sahirana mihitsy. Tamin’ireny andro ririna ireny izao, efa nahatratra hatrany amin’ny 850 Ariary ny hividianan’ny olona azy, ary alaina 830 Ar”, hoy ny mpivarotra iray teny an-toerana.
Milaza ireo mpisehatra amin’ny fivarotana mofo, fa mba nilamina kely ny resaka fanjifana atody ho azy ireo, ary afaka nanafatra atody maro. “Ho anay mpanao mofomamy aloha, azo lazaina ho mahita tombony kely ihany amin’izao fidinan’ny vidin’ny atody izao. Ny teo aloha teo, somary sarotra, satria, tena tsy afaka naka atody maro, noho ny fahalafosan’izany, nefa ny vidin’ ny mofomamy tsy azo ovaina, noho ny fahazaran’ireo mpanjifa”, hoy ny nambaran’ny mpanao mofomamy iray teny Ambodifilao.
Mety mbola hiova ny vidin’ity vokatra ity, saingy tsy mbola fantatra na hiakatra izany na hidina.
Fitia Randria




