VAOVAO TAMBATRA

Nitombo ho adiny 4 ny delestazy teto an-dRenivohitra, omaly. Nandritra ny andro maraina hatramin’ny hariva, nitety ny faritra samihafa, satria nokendrena tsy ho ao anatin’ny fotoana nanatanterahana ny lalaon’ny Barea, nandeha tamin’ny fahitalavitra. Nime­nomenona kosa anefa ireo mpamokatra, mpampiasa herinaratra satria potika ny fihariany.

Tonga eto amintsika ny iraky ny Tahirimbola iraisam-pirenena FMI. Nanomboka omaly 4 hatramin’ny 10 septambra ny faharetan’ny fotoana ijanonany eto Madagasikara. Fitsidihana mahazatra, ao anatin’ilay antsoina hoe « Fact Finding », hijerena ifotony ny fanatanterahana ireo fepetra ao anatin’ny fifanarahana eo amin’ny FMI sy Madagasikara ity ataony ity.

Handray anjara amin’ny fihaonana an-tam­pon’ny tany afrikanina momba ny toetr’andro i Mada­gasikara. Hatao any Addis Abeba Etiopia, ny 8 hatra­min’ny 10 septambra ho avy izao izany. Lohahevitra
ny hoe, «hafainganina ny vahaolana mahakasika ny toetr’andro maneran-tany sy ny famatsiam-bola ho an’ny fampandrosoana afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro».

Partager sur: