Farmasia : Fiaraha-miasa Yas sy Meditect

Natao sonia omaly, ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Yas sy ny orinasa Meditect. Miompana amin’ny fampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny fikarakarana sy ny fikirakirana ny antontan-taratasy amin’ny lafiny fivarotana fanafody ny fiaraha-miasa izany. Vahaolana mahomby amin’ity sehatra ity, izay voalohany aty Afrika, ny fampiasana azy. Hanamora ny asan’ny farmasiana amin’ny fikarakarana ny mpanjifa, indrindra amin’ny lafiny ara-taratasy izany, ka amin’ny alalan’ny fitaovana « logiciel » novokarin’ny Meditect no hanatanterahana azy.

Tanjon’ny orinasa Yas ny hampiroboroboana ny sehatra rehetra, ka anisan’izany ny lafiny farmasia sy ny fahasalamana. Ho an’ireo farmasiana kosa, hanamaivana ny fikarakarana ny antontan-taratasy ho an’ny mpanjifa ny firosoana amin’ny fampiasana ny teknolojia niomerika toy izao. Ho kely ny fotoana lany, ho azo antoka, ary azo ampiasaina maharitra sy betsaka ny fikarakarana ny mpanjifa.

Njaka A.

Partager sur: