Nitombo ho adiny 4 ny delestazy eto Antananarivo, nanomboka ny alakamisy teo, raha adiny 3 tany aloha. Manomboka amin’ny 5 ora maraina hatramin’ny 9 ora maraina ny faharetany. Misy koa ny tolakandro amin’ny 12 ora hatramin’ny 4 ora hariva. Vao manomboka ny haintany, ary ho azo antoka fa vao mainka hahery vaika ny delestazy.
Miisa 125 ny mpianatra nivoaka tao amin’ny ESSA Ankatso, Sekoly ambany ho an’ny haifamokarana. Nandritra ny 5 taona ny fianarana, nahazoana ny marim-pahaizana injeniera. Nanome hafatra ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, fa zava-dehibe ny fampiharana ny fahaizana norantovina, hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, indrindra ny firenena. Teny an-toerana koa ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison Sergio.
Lohahevitra voizina mandritra ny “FIA” sy ny “FIGA” 2025, hatao eny amin’ny CCI Ivato (ny 4-7 septambra), ny hoe « Fampiroboroboana ny fandraharaharana ara-pamokarana ». Zava-dehibe ao anatin’izany ny fampiofanana sy ny fanjohina, entina hampiakarana ny tahan’ny vokatra, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.




