Orinasa Patapon : Nanamafy ny fifandraisany amin’ny mpanjifa

Ho fanamafisana indray ny fifandraisan’ny orinasa Pata­pon sy ny mpanjifany, notanterahina omaly, teny Andra­haro, ny famaranana ny “Tom­bola Patapon millionnaire”. Hetsika lehibe, nahasarika olona maro. Nahatratra 1 tapitrisa teo ny mpandray anjara tamin’izany, avy amin’ny faritra efatra. Anisan’izany Anta­na­narivo, Antsirabe, Maha­janga, ary Toamasina.
Maro ny loka efa nomanina. Miisa 14 ihany kosa ireo olona nandresy, nahazo tamin’ny fisarihana. Anisan’ny fanomezana goavana natolotra ny taratasim-bola mitentina 10 tapitrisa Ariary, ny moto vaovao iray, ny “Bon d’Achat” 1 tapitrisa Ariary. Miampy vo­katra Patapon mandritra ny herintaona. Nandravaka ity fotoana ity ny hafaliana sy ny fety, ary nanaporofo indray izany fa ry zareo dia tsy ma­mokatra fotsiny fa manampy amin’ny fampifandraisana sy fanohanana ny fianakaviana malagasy.
Nandritra izay fotoana maro nijoroany izay, tsy niova ny hafatra sy ny fanoloran-tenan’i Patapon: “Mihatsara hatrany ho an’ny zaza malagasy.” Midika izany fa manohy sy manavao hatrany izy ireo, mba hahafeno ny filan’ny ray aman-dreny sy ny ankizy. Afapo tamin’ity hetsika nataon’ny orinasa ity avokoa moa ireo olona nanatrika teny an-toerana.

F.R

Partager sur: