Natao tany amin’ny faritra Anosy sy Atsimo Andrefana, ny 20 hatramin’ny 30 aogositra teo, ny fiofanana ho an’ny mpampiofana mahakasika ny fanomanana sy ny fanavaozana ny Drafi-pampandrosoana eny ifotony handraisan’ ny rehetra anjara (PDLII) any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara. Tanjona ny hanomezana fitaovana stratejika ho an’ny kaominina tsirairay, izay natao hitarika fampandrosoana mirindra sy maharitra eny ifotony.
Ho an’ity andiany ity, niompana tamin’ny fanavaozana manokana ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny lohahevitra. Tsy vitan’ny fitondrana fampandrosoana maharitra fotsiny ny paikady, fa manokatra lalana ihany koa ahafahana misitraka famatsiam-bola mifandraika amin’ny fampihenana sy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro.
Tetikasa Mionjo
Miaraka mifanome tanana amin’ny fanatanterahana ny fampiofanana ny minisiteran’ ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT) sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Anisan’ny lohahevitra novoaboasana ny mahakasika ny tsenam-barotra Karbôna, ny angovo azo havaozina, ny fahasalamana ary ny fambolena sy ny fiompiana. Hetsika tohanan’ny tetikasa Mionjo, miaraka amin’ny Banky Iraisam-pirenena.
Njaka A.




