Chine: Foibe herinaratra avy amin’ny masoandro lehibe indrindra maneran-tany

Nanomboka niasa tamin’ny jona 2024 ny foibe famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, manana tanjaka 3,5 GW any Chine. Fotodrafitrasa lehibe indrindra maneran-tany.

Miorina any Urumqi, any amin’ny tapany andrefan’i Chine, napetraka amina velaran-tany 133,518 km2 ny takelaka misarika ny herin’ny masoandro, mitovitovy amin’ny haben’ny antsasaky ny tanànan’i New York any Etazonia. mamokatra herinaratra 6 miliara kWh isan-taona, afaka mamatsy an’i Luxembourg na i Papouasie Nouvelle Guinée. Dingana goa­vana vitan’ny firenena sinoa, sady entina hanavaozana ny fomba famatsiana he­rinaratra vaovao amin’ny fampiasana ny angovo azo ha­vao­zina sy madio. Tsy misy fi­renena manana fotodrafitrasa lehibe toy ity hatreto, ma­ne­ran-tany. Manana tanjaka 3,5 GW (1GW= 1 miliara Watts) hatramin’ny 5 GW. Nanda­niana vola 15,45 miliara CNY na 1,96 miliara euros. Na­nan­gana ny fotodrafitrasa ny orinasa China Green Electricity Investment any Tianjin, sampana ao amin’ny Vondron’ori­na­sa China Green Develop­ment Group. Nanom­boka ni­ho­dina ny fotodrafitrasa ny oktobra 2020, namokatra 2,2 GW, ka ny orinasa Huanghe Hydropower Deve­lopment no nitantana azy.

Takelaka miisa 5,26 tapitrisa

Antsoina hoe tetikasa “Min­dong” ity famokarana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro goavana indrindra maneran-tany ity. Miaraka manatanteraka azy ny orinasa China Construction Eighth Engine­ering Division Corp sy ny Po­wer Construction Cor­poration of China (Power­China). Natao tsikelikely ny dingana nananganana azy. Miisa 5,26 tapitrisa ny isan’ny takelaka photovoltaika, misarika ny herin’ny ma­so­andro na­petraka. Miisa 1,23 ta­pitrisa ny tongotra vy mitaty ny takelaka. Ahitana foibe manova he­rinaratra (surpressions) mi­isa 5, ho lasa 220 kV. Maha­tratra 208 km ny tariby mitondra herinaratra, mitatitra ny tambajotra, ahitana foibe ma­nana tanjaka 750 kV.
Nitsangana ny desambra 2020 ny China Green Deve­lopement Group (CGDG), orinasa misehatra amin’ny fampiasam-bola goavana amin’ny angovo ataon’ny governemanta sinoa. Ity no orinasa nisolo ny vondrona Luneng, an’ ny orinasa State Grid.
Anisan’ny ifantohan’ny CGDG ihany koa ny fanorenana sy ny fitantanana ny tetikasa mahakasika ny angovo azo havaozina. Tanjony ny hanatratra fametrahana fotodrafitrasa amin’ny famokarana he­rinaratra azo havaozina hatramin’ny 20 GW tamin’ny faran’ ny taona 2024 teo.
Mamokatra 40 MW ny eny Ambatolampy

Manana ny foibe mamokatra herinaratra avy amin’ny ma­soandro ihany koa ny eto Ma­da­gasikara. Efa namokatra 20 MW (1MW= 1 tapitrisa Watts) ity fotodrafitrasa ity, ary nampiana 20 MW fanampiny, izany hoe, mitotaly 40 MW, izay lehibe indrindra aty amin’ ny faritry ny ranomasimbe In­dianina. Mahatratra 47,1 miliara Ar ny fampiasam-bola (ma­nodidina ny 10 tapitrisa euros). Fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny New Enargy Africa (NEA), sampana orinasa ao anatin’ny Axian Group, ny Green Yellow, ny GuarantCo ary ny banky Société générale, izay niova ho Bred Madagasikara, nanomboka ny taona 2024.
Ankoatra ireo, manana fan­daharanasa hanangana foibe mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro miisa 78 ny fanjakana malagasy. Tanjona ny hampitomboana avo telo heny ny fisitrahana he­rinaratra eto Madagasikara, ka anisan’izany ny famokarana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro.

Nanatontosa : Njaka Andriantefiarinesy

 

Partager sur: