Manamafy ny fahasarotana amin’ny fatapahan-jiro eto an-drenivohitra ny orinasa Jirama, omaly. Manaitra sahady ny rehetra izy ireo mba hivonona hiatrika izany, ary mampanantena fa hilamina ny toe-draharaha amin’ny taona ho avy.
Namoaka fanambarana tao amin’ny pejiny ny orinasa Jirama, omaly. Nisongadina, tamin’izany, ny hoe: “Mivonona isika fa ho sarotsarotra ity taona ity mandritra ny vanim-potoan’ny maintany…”. Nambaran’ity orinasa ity fa mihamafy ny fahatapahan-jireo eto Antananarivo sy ny manodidina, maharitra ora maromaro izany, ary efa miezaka mamaha ny olana izy ireo.
Araka ny fanazavana omaly, antony roa no mahatonga ny fahatapahana matetika hita eto an-drenivohitra. Voalohany, tsy ampy intsony ny vokatra raha oharina amin’ny fitomboan’ny filana. Faharoa, tsy dia tsara kalitao ny solika ampiasaina amin’ireo tobim-pamokarana mandeha amin’ny solika mavesatra, ka manodidina ny 30 “megawatts” no hita fa tsy ampy.
Vahaolana
Na dia eo aza ny olana misy, nanome vahaolana tao anatin’ity fanambarana ity ny eo anivon’ny Jirama. “Mahakasika ny vahaolana, efa eo am-pametrahana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ ny masoandro ny orinasa, ahitana an’i Ivato (100 MW), Moramanga, Filatex (40 MW), Moramanga, GSU (50 MW), Ampangabe (11,5 MW), Ambatomirahavavy (1,5 MW), Imerintsiatosika (10 MW) ary Ilafy (7 MW)”, hoy ny fanambarana.
Ho an’ny solika indray, manantena ry zareo fa ho voavaha tsy ho ela amin’ny famatsiana vaovao ny olan’ny kalitao. Na dia heverina aza fa ho sarotra ity taona 2025 ity, indrindra amin’izao main-tany izao, vinavinaina hihatsara ny toe-draharaha amin’ny taona ho avy, na ny faran’ny taona.
Fitia Randria




