Orange Madagascar : Manohana ny fidiran’ ny mpianatra

Ho fanamarihana ny fidiran’ny mpianatra, nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny mpaninjara mpiara-dia aminy manerana ny Nosy, ny Orange Madagascar. Araka ny fanazavana azo tamin’izy ireo, omaly, natao ho fankasitrahana ny anjara toeran’ny mpaninjara amin’ny fifandraisana akaiky amin’ny mpanjifa sy ho fanohanana ny ankohonana amin’izao fotoana manan-danja izao izany.
Noho izany, nisy fandaharanasa manokana nampivondronana mpaninjara mihoatra ny 400, ka 320 tamin’izy ireo no voasongadina noho ny fahafoizan-tenany. Tafiditra tamin’izany hetsika izany ny fanaovana « mini-caravane » tany amin’ny sekoly, ny fanomezana « kits scolaires » ho an’ny ankizy, ary ny fizarana mari-boninahitra sy valisoa ho an’ireo mpaninjara nahavita be tamin’ity sehatra ity.
Nambaran’ny tomponandraikitra ny hanamafisana ny fifandraisana amin’ny tambajotra fivarotana sy ny fiarahamonina. Eo koa ny hanohanana ny fanabeazana. Amin’ity hetsika ity, Orange Madagascar mampivelatra indray ny politikany: ho mpiara-miasa akaiky sy azo itokisana, sady hanampy amin’ny fampandrosoana ifotony.

Fitia Randria

Partager sur: