VAOVAO TAMBATRA

Tsy mbola mandeha ny asa fanamafisana ireo tetezana miisa 13 amin’ny lalam-pirenena faha-2. Asa entina hitaterana ireo milina miisa 7, izay mi­lanja 60 hatramin’ny 70 taonina ny iray, hampandehanana ny toby vaovao eny Ambohimanambola, mamokatra 105 MW. Efa nisy ny fandaharam-potoana napetraky ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, saingy tsy tanteraka hatreto.

Anisan’ny nampifandray mivantana ireo mpisehatra amin’ny famokarana ny Foara iraisam-pirenena FIA sy FIGA, teny amin’ny CCI Ivato, ny 4 hatramin’ny 7 septambra teo. Ho an’ny sehatry ny jono, nampifandray ny mpisehatra, miainga any amin’ ny mpiompy, ny mpamokatra, ny mpivarotra ary ny mpanjifa ity fotoana ity.

Azon’ny faditseranana atao ny misava ny entana, ny taratasin’ny entana, aty aoriana. Ao anatin’izany koa ny fanambarana miaraka aminy, ny fa­namarinana ny fandoavana haba sy ny fitiliana ary ny fijerena ny tsy fahatomobanana amin’ny endriny sa­mihafa. Tafiditra ao anatin’ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena voizin’ny sampana haban-tseranana malagasy izany.

Partager sur: