Vita sonia ny 9 septambra teo ny fiaraha-miasan’ny telo tonta. Nanatanteraka izany ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahaleovatena ara-tsakafo (Sesa), Razanamahefa Tahian’Ny Avo, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fampanananasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ary ny filohan’ny Federasionin’ny vehivavy avy any Hunan Sina, Yang Lansing. Tanjona ny hanofanana ny vehivavy ara-pamokarana, toy ny fambolena vary safiotra, ny fampitana fahaiza-manao ary ny fanamafisana ny fahaizana mampiasa ny teknolojia.
Fampivoarana ny rafi-pambolena
Nilaza ny Sesa, Razanamahefa Tahian’Ny Avo, fa «mamaly ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE), sy fanatanterahana ny tetikasa Vehivavy reny afrikana vaovao, izao fiaraha-miasa izao. Ho fototry ny fampivoarana ny rafi-pambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo ny vehivavy manomboka izao». Napetraka nandritra ity fotoana ity, any amin’ny kaominina Soavina Atsimondrano, ny vatofehizoro mirakitra ity fiaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy ny federasionin’ny vehivavy any Hunan Sina ity.
Njaka A.




