VAOVAO TAMBATRA

Araka ny vaovao navoakan’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny toekarena, omaly, nanatanteraka fivoriana arakasa, nanomboka ny 4 hatramin’ny omaly, ny iraka avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena FMI, tarihin’i Constant Lonkeng Gouana. Tanjona ny hahafahana mijery ny fandrosoan’ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy izy ireo. Tafiditra anatin’ny fanomanana ny fanaraha-maso fahatelo ny Fec –FRD ny volana oktobra ho avy izao izany.

Nihaona mivantana tamin’i Mahatante Paubert, minisitry ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB) tetsy Ampandrianomby, omaly, ny delegasionina avy amin’ny GFW, ONG iraisam-pirenena miara-miombona antoka amin’ny MPEB. Tanjon’izy ireo ny hiadiana ny jono tsy manara-dalàna. Nankasitraka ny ezaka vitan’ny Malagasy sy ny fanjakana ny ONG GFW.

Maro amin’ireo mpisehatra, mpivarotra, izay miankina tanteraka amin’ny herinaratra, no sahirana tanteraka amin’ny fatapahan’ny jiro. Misy amin’izy ireo misafidy ny tsy hampiasa fatana mandeha amin’ny herinaratra intsony, fa mampiasa charbon na kitay . Tsy mahita vahaolana kosa ny mpanao Cyber. Izy ireo izay nilaza fa lafo dia lafo ny fampiasana ny tahirin’ny herinaratra, amin’izao fotoana izao.

Partager sur: