Mitohy ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny harena an-kibon’ny tany any Atsimo Andrefana. Nifantohana ny fitantanana, ny fanabeazana ary ny fifanakalozam-baovao miteraka fampandrosoana.
Efa nisy ny loabary an-dasy mahakasika ny harena ambanin’ny tany, nataon’ny tetikasa Taratra, tany Benetse, kaominina Ankilimalinike, kaominina Belalanda, Ranobe ary Tsiafanoka. Namolavola azy ny Eglizy Katolika, tamin’ny alalan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara. Nitohy tao Toliara izany, ny 5 septambra teo, niresahana ny mangarahara, ny tsara hitantanana ny harena an-kibon’ny tany, ny fanabeazana, ny fanomezam-baovao ny vahoaka, mba hiarovany ny tombontsoany. Nandray anjara tamin’ny fotoana ny avy amin’ny Fitantanam-paritry ny harena an-kibon’ny tany, ny Tontolo iainana, ny Fiarahamonim-pirenena, ny mpitandro filaminana ary indrindra ny vondron’ny fiarahamonina, sns.
Nambaran’ny mpandrindra ny tetikasa Taratra, Ralahy Emmanuel, fa « maro loatra ny feo mandeha, ny fitsarana ivelany, ny tsy fahafantarana ny tena marina, mahakasika ny tetikasa ambanin’ny tany aty an-toerana. Izany no nahatonga ny fikarakarana loabary an-dasy toy izao, hanomezam-baovao marina sy hanentanana ny mponina ny maha zava-dehibe sy ny tombontsoa entin’ny tetikasa samihafa ».
Efa nohavaozina ny lalàna
Maromaro ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany any Atsimo Andrefana, toy ny labradorita, ny grafita, ny fasimainty, sns. Nampahafantarina ny zo sy ny adidy tsy maintsy arahina ho an’ny mpisehatra rehetra, toy ny orinasa, ny mponina ary ny Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (CTD). Nohazavain’ny talem-paritry ny Harena an-kibon’ny tany Atsimo Andrefana, Raonison Ria, fa « efa nohavaozina ny lalàna ny taona 2023, ary nivoaka ny taona 2024 ny didy fampiharana. Mila fantatry ny rehetra ny lalàna, mialoha ny hanehoana hevitra na hitsikerana. Izany no maha zava-dehibe ny fotoana tahaka izao ».
Notsorin’i Mananama, fa « mazava ny zava-drehetra. Tokony hitohy ny fotoana toy izao, mba ho fantatry ny tsirairay ny manodidina ny harena ambanin’ny tany ary misy ny fifanakalozam-baovao ho an’ ny rehetra ».
Njaka Andriantefiarinesy




