Hatao sekoly filamatra ny CEG Nanisana. Natao sonia teny an-toerana, ny zoma 12 septambra teo, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) sy ny fikambanana Green for Healthy of Madagascar (GHM). Mifantoka amin’ny fametrahana sekoly maitso ny fifanarahana, amin’ny alalan’ny tetikasa “Green Action School (GAS)”. Tanjona ny hananan’ny mpianatra toe-tsaina mikajy tontolo iainana. Nasongadin’ny minisitra Andonirina Max Fontaine, fa manana andraikitra tokoa ny tanora, ka izay no antony hanabeazana azy dieny izao. Haparitaka manerana ny Nosy ity tetikasa ity.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa, ny fanadiovana ny sekoly, ny fananganana zaridaina maitso. Eo koa ny fandraharahana maitso, ka hanavahana ny fako voajanahary, ho avadika zezika, ohatra. Hahodina ho lasa vokatra hafa azo ampiasaina indray kosa ny fako plastika. Natolotra ho an’ny CEG Nanisana, nandritra ity fotoana ity, koa ny boky torolanana mahakasika izany fandraharahana maitso izany. Toy ny fampianarana manao zezika, ny fanamboarana saribao ekolojika, ny fitantanana ny fako, sns.
Njaka A.




