Fanohanana ny fambolena… Nomen’ny Bad sy ny Fida 500  tapitrisa dolara i Madagasikara

Nahazo fanohanana ny tontolon’ny fambolena sy ny fanjarian-tsakafo. Resy lahatra tamin’ny fandaharanasan’ny filoha Rajoelina Andry ireo mpamatsy vola ka hanampy antsika.

Nahazo vola mitentina 334 tapitrisa dolara avy amin’ny Bad ary 200 tapitrisa dolara avy amin’ny Fida i Madagasikara. Tafiditra amin’ny fanatanterahana ny fifanarahana momba ny sakafo sy ny fambolena “Pacte national sur l’alimentation et l’agriculture“, amin’ny fihaonana an-tampon’ireo mpitondra fanjakana Afrikanina, any Dakar izany.

Anisan’ny mandray anjara amin’izany ny filoha Rajoelina Andry.

Voaresaka ny fanamby hanafoanana ny fahantrana lalina sy ny tsy fanjarian-tsakafo hatramin’ny taona 2030. Antony nandrafetan’ny firenena tsirairay ny “Pacte National sur l’alimentation et l’agriculture”  ho fanatanterahana ireo fanamby ireo, amin’ny alalan’ireo asa ho tanterahina hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Araka izany, nihaona tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpamatsy vola tsy miankina eo amin’ny sehatry ny fambolena ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Natolony azy ireo tamin’izany ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy hahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto amintsika.

Finiavan’ny filoha Rajoelina Andry

Naharesy lahatra ireo mpamatsy vola izany ka nahazoana fanohanana ireo fanohanana mitambatra, maherin’ny 500 tapitrisa dolara avy amin’ny Bad sy ny Fida. Resy lahatra ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanoloran-tena sy ny finiavana nasehon’ny filoha Rajoelina  ka izao nanamafy ny fanohanana ny fanatanterahana ireo fandaharanasa  izao.

Tafiditra ao anatin’izany ny fampitaovana toy ny zezika sy masomboly ho an’ireo tantsaha eny ifotony manerana ny faritra. Ny fanomezana tany iasan’izy ireo, ny fametrahana ireo ozinina manodina vokatra amin’ny alalan’ny fandaharanasa “Odof”. Vonona hiara-kiasa amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa “agro-industriels” koa ny fanjakana. Mifanindran-dalana amin’ny vinan’ny filoham-pirenena amin’ny hamokarana eto an-toerana ireo filan’ny vahoaka izany.

Synèse R.

Partager sur: