Madagasikara sy Frantsa: Hanamafy ny fiaraha-miasa momba ny fitsinjaram-pahefana

Hotanterahina eto Madagasikara, ny 18 sy 19 septambra ho avy izao, ny andiany fahatelo amin’ny hetsika « Assises de la Coopération décentralisée ». Ifarombonan’i Madagasikara sy i Frantsa ny mikarakara izany.

Hampiantrano ny andiany fahatelo amin’ny hetsika fanamafisana ny fifanarahana eo amin’ny malagasy sy ny frantsay, « As­sises de la coopération dé­centralisée », i Madaga­sikara, ny 18-19 septambra ho avy izao. Hetsiky ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE) sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), iarahana amin’ny minisiteran’i Eoropa sy ny Raharaham-bahiny ao Fran­tsa ary ny Cités Unies France izy ity.
Tonga nanatrika ny fampahafantarana ofisialy, teny Anosy, omaly, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, sy ny Fi­tsinjara-pahefana, Andrian­tsitohaina Naina, ary ny masoivoho frantsay.
Samy nilaza ireo tomponandraikitra ireo fa fotoana lehibe hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa ity fihaonana ity, indrindra eo amin’ireo vondrom-bahoaka eny ifotony sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatry ny fitsinjaram-pahefana. Raha ny filazan’ny masoivoho frantsay, efa miisa 30 eo ny lafim-pifanarahana misy eo amin’ny firenena roa tonta.
Marihina fa hiakatra aty an-dRenivohitra ireo kaominina sy governora any amin’ny faritra hafa, mandritra ity hetsika ity, mba hahafahan’izy ireo misitraka ny fifanarahana amin’izany.

Tanjona maharitra ho an’ny fampandrosoana (ODD)

Ny hanatrarana ireo tanjona maharitra ho an’ny fampandrosoana lovain-jafy (ODD) sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa mivaingana eo amin’ny vahoaka roa tonta no vina hotratrarina amin’izany. Araka ny vinan’ny filoha sy ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE), mampiseho ny fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy sy ny fanomezana fahaleovantena sy andraikitra bebe kokoa ho an’ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny hetsika. Tsy vaovao ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa. Efa tamin’ny taona 1961 no nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa voalohany teo amin’ny tanànan’i Manakara sy i Parthenay.

Fitia Randria

Partager sur: