Nirehitra ny alakamisy teo ny ala any amin’ny Valanjavaboahary Ankarafantsika. Niara-nientana avy hatrany ny mpisehatra rehetra any an-toerana namono ny afo. Voafehy ny alahady maraina, 14 septambra teo, ny afo, ary mitohy ny famonoana sy ny fanaraha-maso ny otrikafo manodidina ny faritra arovana, sao sanatria, mitarika firehetana vaovao indray.
Tsy fantatra ny fototry ny afo, saingy, hanao fanadihadiana lalina ny nahatonga azy ny tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny. Eo koa, ny tombana hatao mahakasika ny faritra may. Mitantana ny any Ankarafantsika ny Madagascar National Parks (MNP).
Tsiahivina fa efa nisy ny fitetezam-paritra nataon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), mahakasika ny fiomanana sy ny paikady raisina, manoloana ny doro ala sy ny doro tanety. Satria fotoana mampirongatra izany isika amin’izao maintany izao. Toerana tena ahitana azy ny faritra arovana, matetika isan-taona, ny valanjavaboaharin’Ankarafantsika, ny any Antimena Menabe, sns.
Njaka A.




