VAOVAO TAMBATRA

Notanterahina omaly, tao amin’ny faritr’i Sofia, ny fampahafantarana sy ny fivoriana niarahana tamin’ireo solontenan’ny Bianco, momba ny resaka ady amin’ny kolikoly sy ny hanamafisana ny fiaraha-miasa. Iray amin’ireo fanamby lehibe indrindra eto Madagasikara, tokony hiadiana ny kolikoly. Ary misy fiantraikany amin’ny sehatra rehetra toy ny fitantanana, toekarena, ary fiarahamonina izany.

Nifarana ny sabotsy teo, tao amin’ny Gare Antsirabe, ny hetsika andiany faha-47 amin’ny Vitrine de Vakinankaratra. Afapo tanteraka tamin’izany ireo mpisehatra rehetra. Araka ny fikarohana natao, nandray anjara sy nampiranty ny zava-bitany nandritra io fotoana io, tany an-toerana, ny Federasionin’ny Fikambanan’ny olona jamba eto Madagasikara (Faam).

Natao tany Antsirabe, ny 14 septambra teo, ny atrikasa mahakasika ny lalam-pihariana ronono. Fotoana nandinihina sy namaritana ny olana sy ny vahaolana ary ny asa tsy maintsy hatao hampandrosoana ity seha-pihariana ity izany. Nohamafisin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison François Sergio, fa zava-dehibe ny fampidirana ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny ara-dalàna, ahafahana manatsara ny tohana ho azy ireo.

Partager sur: