Karate Analamanga : Hiezaka hampiakatra ny lentan’ny mpikatroka

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Anko­ron­drano, ny fiadiana ny tom­pon­dakan’Analamanga, taranja Karate. Nahatonga solontena avokoa ny seksiona 8 mandrafitra ny ligy ary nahatratra 150 ny isan’ny mpandray anjara. Niakatra ny haavo teknika ho an’ity fifaninanana 2025 ity ary hiezaka hampiakatra hatrany ny lentan’ny mpikatroka ny kaomisionina teknika eo anivon’ny ligy. Misy ny fiofanana natao teny anivon’ny seksionina ho an’ny mpikatroka, mpa­nazatra ary mpitsara ary hotohizana hatrany izany. Hiatrika avy hatrany ny fampivondronana ireo mpikatroka tafiditra ho 4 voalohany isan-tsokajy aorian’izao fifaninanana izao ho fanomanana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Karate, eo amin’ny Kata sy Kumite an’olon-tokana, araka ny fanazavan’ny filohan’ ny ligy, Karate-do Anala­manga, Rakotomalala Pierrot. Hiezaka ny hitazona ny anaram-boninahitra ny ligin’Analamanga amin’io fifaninanana nasio­naly, izay hatao any Antsirabe, ny volana novambra io. Tsia­hivina fa ny ligin’Analamanga hatrany no mitàna ny laharana voalohany mandritra ny fifa­ninanana nasionaly ary tsy hamotsotra izany anaram-boninahitra izany izy ireo. Nanamafy ny filoha lefitra eo anivon’ny ligy, Andrianjatovo Manitra, fa hatao izay hampamiratra ny seksionina 8 eo izay mandrafitra ny ligin’ny Karate-do Analamanga.

Mi.Raz

Partager sur: