Misokatra amin’ny fomba ofisialy ny Fablab EnR-out, ivontoerana vaovao natokana hampiroboroboana ny angovo azo havaozina sy hanomezana sehatra ny tanora manana tetikasa mifandraika amin’izany.
Mbola olana lehibe ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara. 36 % ny tokantrano eto amin’ny Nosy no manana herinaratra, 7 % ny any ambanivohitra izay onenan’ny 70 % ny mponina, raha ny tarehimarika nivoaka. Manampy vahaolana vaovao ny tetikasa Fablab EnR-out. «Tsy toeram-panofanana fotsiny, fa toerana ahafahan’ny tanora manao asa tanana, mamorona vahaolana ary miditra mivantana amin’ny tsenan’ny asa ny Fablab EnR-out», hoy ny fanazavan’ny mpanorina ny tetikasa, Ravolatahiana Cadeau Adjamie, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Ankorondrano. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fandaharanasa fanofanana sy fanaraha-maso ho an’ny vehivavy, mba hampitombo ny anjara toerany amin’ireo asa teknika mbola vitsy ireharehany. Hanomboka amin’ny angovo avy amin’ny masoandro ny tetikasa, miaraka amin’ny mpianatra avy amin’ny oniversite sy sekoly teknika isan-karazany (Oniversiten’Antananarivo, ESPA, IST-T ary Soavinandriana). Tanjona ao anatin’ny telo taona ny hanofana teknisiana 600, ahitana vehivavy farafahakeliny ny antsasany, hamokatra 50 «prototypes» momba ny vahaolana eo an-toerana, ary hanampy tanora 300 hiditra amin’ny sehatry ny asa. Maimaimpoana ny fiofanana rehetra, mba hahafahan’ny rehetra mandray anjara. Ho ampahafantarina ny sabotsy 20 septambra ho avy izao, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny tetikasa amin’ny ankapobeny. Hisy ny fampahafantarana ny tranonkala ofisialy, atrikasa momba ny asa mifandraika amin’ny angovo azo havaozina, fifampizarana traikefa miaraka
amin’ireo vehivavy injeniera sy mpandraharaha, fampirantiana fitaovana ary fisoratana anarana mivantana. Voafantina ho anisan’ny tetikasa telo eto Madagasikara mandray fanohanana avy amin’ny Impulsouth sy ny Fondation Avina, ny Fablab EnR-out.
Henintsoa




