Araka ny efa nambara, hanomboka amin’ny sabotsy 20 septambra ho avy izao, ny fitaterana manokana ireo milina, hampandehanana ny foibe mamokatra herinaratra 105 MW eny Ambohimanambola. Hafainganina ihany koa ny fanarenana ny lalam-pirenena faharoa.
Feno ny fepetra! Efa vita ankehitriny ny fanamafisana ireo tetezana miisa 13 amin’ny lalam-pirenena FAHAROA, hitaterana ny milina mamokatra herinaratra, avy any Toamasina mankeny Ambohimanambola. Nambaran’ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, tamin’iny herinandro iny, fa nohamafisina tamin’ny vy manokana ny ao ambany tetezana, ary mahazaka tsara ny lanja mavesatra. Mahatratra 40 t ny fetran-danja zakan’ny tetezana, ka izao nohamafisina izao. Manodidina ny 70 t mantsy ny lanjan’ny iray amin’ireo milina mpamokatra sy mpanova herinaratra. Misy maromaro izy ireo, ka hanomboka amin’ny sabotsy 20 septambra izao ny ampahany voalohany amin’ny fitaterana azy ireo manokana. Ho fantatra eo ihany ny ampahany manaraka, satria tsy maintsy hisy ny fepetra manokana ho raisina manoloana izany, handaminana ny fifamoivoizana.
Tsy maintsy vitaina anaty efa-bolana ny Faharoa
Mifandraika amin’izany ihany, nihaona tamin’ny orinasa rehetra manarina ny lalam-pirenena faha-2 ihany koa ny minisitry ny Asa vaventy, tamin’iny herinandro iny, tany Brickaville. Hentitra ny toromarika nomeny, amin’ny tsy maintsy hanafainganana ny asa ao anatin’ny efa-bolana amin’ity taona 2025 ity. Tsy sakana intsony ny rotsakorana satria efa maina ny andro izao. Mila mampitombo ny isan’ny fitaovana ampiasainy ny orinasa. Ilaina ny fandrindrana ny asa miaraka amin’ny fanajana ny fe-potoana voafaritra mazava. Mila miasa andro sy alina ny orinasa hanenjehana ny fahatarana.
Notsindrin’ny minisitra Rafidison Richard Théodore manokana ny fanarenana ao anatin’ity herinandro ity ireo toerana tena mbola ratsy sady manahirana, mialoha ny handalovan’ny fitaterana manokana ireo milina.
Tsiahivina fa miisa efatra ireo orinasa manatanteraka ny fanarenana ny lalam-pirenena faharoa. Famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana (FR) sy ny Banky iraisam-pirenena.
Njaka
Andriantefiarinesy




