Baolina kitra – Cosafa U17 : Nidiram-baolina 13 ny Barea zandriny

Nangidy sy navesatra tamin’ny mpitia baolina kitra ny vokatra azon’ny Barea, nandritra ny fifaninanana ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa cup), sokajy U17. Faharesena telo no azo ary nitana ny rambony tao amin’ny vondrona “B” izy ireo.

“Resy lava!” Nosem­banin’ny raho-maintin’ny Barea sokajy U17, ilay fifaliana mavaivay nentin’ny Barea Chan, iray volana lasa izay. Nitolefika tanteraka mantsy ny omby tanora nandritra ny fiadiana ny Cosafa cup, notanterahina tatsy Zimbabwe. Faharesena intelo nisesy tao amin’ny vondrona “B”, ary nitana ny toerana farany ry zareo.
Nidiram-baolina betsaka indrindra, izay miisa 13, nandritra ireo lalao telo nataony izy ireo, raha baolina 3 monja ny mba tafidiny. Raha tsiahivina, resin’i Malawi, tamin’ny isa 3 no ho 1, teo amin’ny andro voalohany. Avy eo nomontsanin’i Afrika Atsimo tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 1, ny andro faharoa. Omaly indray, mbola novolosan’i Zambie, tamin’io isa io ihany koa.

Lojika ny faharesena

Rariny sy hitsiny raha toa ireny ny vokatra. Tsy misy ny rafitra ara-dalàna mipetraka ho an’ny sokajy zandriny, eto Madagasikara. Zara fa misy ny fihaonana maharitra ho an’ny taona takin’ny fifaninanana. Vokany, tsy afaka nifantina tany amin’ireo ligim-paritra sasany ny mpanazatra. Mbola olana ny haben’ny vatana ary lesoka goavana ny famonoam-baolina.
Tokony ho fantarina tsara ny lentan’ireo mpilalao mpilaravinahitra antsoina, hanatevina ny Barea. Raha ny fahitana azy, toa tsy maharesy lahatra akory izy ireo raha mitaha amin’ireo zandrikely eto an-toerana.
Inoana sy antenaina fa samy naka lesona tamin’iny Cosafa U17 iny avokoa na ny mpitantana eo anivon’ny federasionina, na ny mpanazatra na ireo mpilalao. Marihina fa ekipam-pirenena ity, ka tsy omena tsiny raha misy ny kihana maro samihafa, any anatin’ireny tambajotran-serasera ireny.
Matetika lasa ala-olana amin’ny vokatra ratsy toy izao matsy ilay teny hoe: “ Fangalana traikefa, sy fitsapana avokoa izy ireny.” Na koa ilay hoe : “Fandraisana anjara no zava-dehibe !” nefa fandrosoana no tadiavina, ary baolina kitra malagasy hisondrotra ambony no vinavinaina sy irina fatratra.

Fitia Randria

Partager sur: