African Parkour Tour : Nihazo an’i Comores ny delegasionina malagasy

Tsy mitsahatra mivelatra ny Traceur Gasy ao anatin’ny fanapariahana ny taranja Parkour eto Madagasikara, eo anivon’ny ranomasimbe Indianina, eto Afrika sy manerana izao tontolo izao. Taorian’ny niatrehana ny « Festival Alefa Parkour » andiany fahefatra izay nahitana fahombiazana, nanainga, omaly, indray ny delegasionina malagasy , ahitana azy 3 mirahalahy: Faliniaina Antonio, Serge Ranaivomanana Serge ary Ranaivomanana Toky. Nihazo an’i Kaomoro izy ireo hiatrika ny « Festival des arts de la rue » izay hotanterahina manomboka anio, hatramin’ny 26 septambra. Tsiahivina fa tetikasan’ny Traceur Gasy tohanan’ny « Institut français de Paris » no naha­fahan’ireto atleta ireto hifampizara traikefa any Kaomoro, tafiditra indrindra ao anatin’ny « African Parkour Tour ». Ho fanohanana ireo mpandraharaha ara-kolontsaina eto Afrika no tanjona amin’ity tetikasa ity. Hampiavaka ny dian’ireto Mala­gasy atleta any Kaomoro ireto ny fiarahana amin’ilay Mala­gasy mpanao Cirque, i Aléa Circus.

Mi.Raz

Partager sur: