SOMBIM-BAOVAO

Efa tafakatra 43 ireo nisoratra anarana amin’ ilay fifaninanana “Madagascar International BJJ Open 2025” , taranja Jiu-jitsu breziliana, izay hatao ny 12 ok­tobra izao, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masina. Misy mpikatroka avy any Dubaï, La Réunion ary avy any Frantsa efa nisoratra anarana amin’ity fifaninanana anisan’ny goavana ity.

Voarara ny maka mpilalao manatevin-daha­rana na “renfort”, mandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara,taranja volley ball, sokajy “1ère division”, araka ny fitsipika vaovaon’ny fifaninanana,
eo anivon’ny federasionina malagasin’ny volley ball. Fifaninanana hotontosaina ny 20 hatramin’ny 27 septambra ho avy izao, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano.

Nanainga, omaly, ny delegasionina malagasy hitarika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Échecs, sokajy Cadet, hatao any Almaty, Kaza­khstan, ny 18 hatramin’ny 30 septambra izao. Solon­tena roa no hiaro ny voninahi-pirenena malagasy mandritra ity fifaninanana ity, ahitana an-dRazafindrano Raphaël, sokajy latsaky ny 10 taona sy Ramorasata Diary Vetsovetson’Anjomara, sokajy latsaky ny 12 taona. Ny filohan’ny federasionina malagasin’ny taranja “échecs”, Ramalanjaona Andrianatenaina no hitarika ny delegasionina.

Partager sur: