Handball – “Can U17”: Lavon’i Kenya ny Akion’i Madagasikara

Faharesena misesy ny azon’ny Akion’i Madagasikara, amin’ny fiadiana ny “Can U17”, vehivavy. Mbola resin’i Kenya indray izy ireo.

Nitohy omaly alakamisy, tao amin’ny Kianja Complexe Miloud Hadfi, Algerie, ny andro faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can), taranja hand­ball, sokajy U17, vehivavy. Tojo faharesena fanindroany in­dray ny Akion’i Madagasikara. Lavon’i Kenya, tamin’ny isa 34 no ho 23, izy ireo. Mbola ni­fandanja ny lalao teo am-panombohana.
Nanokatra ny isa hatrany ny Malagasy, izay vao nanasahala ho 1 sy 1 i Kenya. Avy eo notarihin’ny Akio indray ka sahala 2 no ho 2. Hitan’ny ke­nyanina amin’ izay ny lesoka teo amin’ny vodilaharana malagasy ka sesilany ny baolina tafiditra. Niitatra tsikelikely ny isa teny amin’ny so­laitrabe. Nitarika hatrany amin’ ny isa 8 no ho 2 izy ireo vao na­hatafiditra baolina ry Narindra sy Angela ary i Eulalie.
Lesoka ho an’ny Akion’i Ma­­dagasikara ny fikoropahana, betsaka ireo baolina very na azon’ny mpifanandrina ka lasa baolina maty ho an’i Ke­nya. Mi­nitra faha-8, nahazo ka­ratra mena i Sabrina, Mala­gasy mpi­andry tsatoby ka nilalao enina ny Akio. Nisy fiantraikany io tsy fahampiana teny ambony kianja io, indrindra teo amin’ny fiarovan-tena, ka nohararao­tin’ny kenyanina nampidirina baolina. Nitarika tamin’ny isa 18 no ho 13 i Ke­nya, teo am-pialantsasatra.
Fizaram-potoana faharoa, nanafaingana ny fanafihana ny Akio saingy lesoka hatrany ny famaranana. Na voasakan’ ny mpiandry tsatoby ny tifitra na azon’ny vodilaharana ny baolina. Ankoatra izay, matetika no “zone” ny lohalaharana ka tsy maty ny baolina. Betsa­ka koa ireo “7 mètres” tsy maty. Tombony ho an’i Kenya ny hakingan’ireo elatra havia sy havanana amin’ny fampidiram-baolina. Tsiahivina fa efa resin’i Angola ny Akio, nandritra ny andro voalohany.

Tompondaka

 

Partager sur: