Volley-Mada 1D : Ekipa roa atahorana ny ASI sy GNVB

Hotanterahina ny 20 hatramin’ny 27 septambra izao, ao amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, ho an’ny sokajy 1ère division, lahy sy vavy. Efa fantatra avokoa ireo ekipa handray anjara, izay ahitana ekipa 10 eo amin’ny lehilahy ary ekipa 9 kosa eo amin’ny vehivavy. Klioba anisan’ny tsy manao ambanin-javatra ny fifaninanana nasionaly toy izao, ny ASI (Akany sambatra Itaosy) sy ny GNVB (Gendar­merie nationale de volley-ball). Amin’ity fifaninanana ity, samy manana ekipa amin’ny sokajy lahy sy vavy ireto klioba roa ireto ary tsy vitan’izany fa matanjaka tanteraka. Ho an’ny ASI, manana ekipa roa izy ireo, ho an’ny sokajy lehilahy ary ekipa iray ho an’ny sokajy vehivavy. Ho an’ny GNVB kosa, manana ekipa 3, ahitana ny GNVB 1, GNVB 2 ary ny Pole GN, eo amin’ny sokajy lehilahy. Ekipa roa kosa no hifaninana eo amin’ny sokajy vehivavy, ho an’ny GNVB. Na eo aza izany, samy manana herijika avokoa ny ekipa tsirairay noho ny fanomanana nataon’izy ireo. Misy ihany koa ireo ekipa vaovao vao hiatrika fifaninanana eo amin’ny 1ère division, izay vonona hametraka fanamby, amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ity.

Mi.Raz

Partager sur: