SOMBIM-BAOVAO

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny fikamba­nan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena eto Madagasikara (UJSM) manoloana ny fanaovan’ny Federasionina malagasin’ny basikety tsinontsinona azy ireo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masina, ny faran’ny herinandro teo. Nisy ny fanambarana an-taratasy nataon’ny UJSM manameloka tanteraka ny fihetsika sy fiteny natao tamin’ireo mpanao gazety nanao ny asany teny an-kianja, omaly.

Hotanterahina any Pérou, ny 5 hatramin’ny 8 oktobra izao, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Judo, sokajy Jeunes. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena. Ilay Malagasy mpikatroka milaravinahitra any ivelany, i Nathanael, no hisolo tena an’i Madagasikara amin’izany, ahitana mpikatroka 400 avy amin’ny firenena 61. Eo amin’ny sokajy latsaky ny 81 kg izy no hifaninana.

Hotanterahina ny 12 oktobra ny fifanandrinan’i Mali sy ny Barean’i Madagasikara, atsy Mali. Tsiahivina fa samy hanana ny lanjany io lalao io. Raha tafavoaka mpandresy eo moa ny Malagasy, mety ho laharana voalohany na hijanona faharoa.

Partager sur: