Praiminisitra Ntsay Christian: “Malalaka ny fanehoan-kevitra eto Madagasikara”

Nitondra fanazavana ny raharaham-pirenena ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly. Nambarany tamin’izany fa mipetraka ny demokrasia eto amintsika.

“Isika ihany no mahatsapa fa malalaka dia malalaka ny fanehoan-kevitra eto Madagasi­kara. Ny mpanao politika na vondron’ny mpanao politika na vondron’ny antoko politika malalaka amin’ny fitenenana. Mampiseho izany fa mala­laka ny fanehoan-kevitra politika eto Madagasikara. Izay ny demokrasia”, hoy ny Praimi­nisitra, Ntsay Christian, teny Andohalo, omaly taorian’ny fitokanana ny Foibe iraisam-piadian’ny Tafika na ny Centre des opérations interarmées (COIA). Io ny nambarany ma­noloana ny filazan’ny mpanohitra sasany fa tsy misy fahalalahana miteny sy maneho hevitra amin’izao.
Ao anatin’ny fotoam-pa­ha­varatra izao. Ny fiainan’ny Malagasy no tena laharam-pahamehana ho an’ny fitondranam-panjakana: fijerena inona no tena zava-manahi­rana ny Malagasy? Raha misy mpanao politika tsy izany loatra no laharam-pahamehana aminy dia azy izany. Fanohi­zana ny fanamafisana ny filaminana ity taona ity, ary taon’ ny fifidianana koa. Zava-dehibe, arak’izany, ny fitoniana sy filaminan-tsaina eo anivon’ny mpitandro ny filaminana hi­sian’ny fandriampahalemana. Hita koa fa miakatrabe ny ambana maro toy ny ady miseho maneran-tany. Tsy maintsy dinihina ny momba izany, satria tsy afaka ny hitoka-monina i Madagasikara.

Ilaina ny foibe fitantanana krizy

Ilaina izao Foibe iraisam-piadian’ny Tafika izao. Satria amin’izany no handrindra ny asa rehetra eo anivon’ny Tafika malagasy amin’izay fanampiana ny vahoaka, in­drindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Eo ny fa­nam­piana ny olona miala amin’ny toerana sy trano dibo-drano, ny fiahiana sy fiarovana ny tanàna ialana… Manao an’ izay avokoa izy ireo manerana an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. “Mandrindra ny asa araka izay azo atao isika”, hoy izy. Averina araka izay azo atao, ohatra, ny lalana, fa mbola ratsy ny andro. Jerena manokana ny RN 6, mano-totra lalana amin’ny RN 4…
Sehatra maro no iasana eo anivon’ny COIA: fisafoana tany, fampandriana fahale­mana, fiaraha-miasa amin’ny famonjena voina na ambana samihafa… “Rehefa misy ny tranga, sahirana ihany isika amin’ny fitantanana krizy”, hoy kosa ny minisitry ny Fia­rovam-pirenena, ny Jly Rako­tonirina Léon Jean-Richard. Ho moramora ny hanaovana izay fitantanana krizy izay amin’izao fananana foibe izao. Eo ny lafiny fandriampahalemana sy tranga manokana eo amin’ny fiarahamo­nina izay mety misy fiantraikany amin’ny fiainam-pire­nena.

R. Nd.

Partager sur: