“Efa niomana sy vonona ho amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana izahay. Anaovana antso avo anefa ireo malala-tanana mba hanohana eo amin’ny fitaovana sy ny vola, ahafahanay manatanteraka izany”, hoy ny eo anivon’ireo fiarahamonim-pirenena, tamin’ ny alalan-dRalantosoa Florence, omaly, tetsy Ampefiloha. Nambaran’izy ireo fa nanao ny ezaka ny Ceni tamin’ny fanadiovana ny lisi-pifidianana. Nanampy koa anefa ireto fiarahamonim-pirenena maromaro ireto na teo aza ny olana sasany noho ny toetry ny andro ka nampihemotra ny fandaminana sy ny fomba fiasa efa natao. Nifandrombonana tamin’ny Ceni izany, nisorohana ny disadisa, araka ny nambaran’izy ireo. Mbola nanentana ireo tsy mbola nisoratra anarana anaty lisitra ireto fiarahamonim-pirenena ireto hanatona ny fokontany, miaraka amin’ny karatra. “Zontsika ny ho voasoratra anaty lisitry ny mpifidy ka aza avela hositrahan’ny hafa izany”, hoy ny avy amin’ny Andrimaso.
Nisaoran’izy ireo ny mpanisa mpifidy sy ny CLRE ary ny sefo fokontany tamin’ny fiaraha-miasa nandritra ny fanentanana sy ny fanaraha-maso nataon’izy ireo, teny ifotony.
Synèse R.