Omaly no nigadona an-tanindrazana ny ekipam-pirenena malagasy, sokajy lehilahy, taranja tsipy kanetibe. Raha tsiahivina, niatrika fifaninanana maro tany Eoropa izy ireo, nandritra ny telo volana ka anisan’izany ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, notontosaina tany Italie, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nitsanga-menatra ny firenena tamin’izany satria nitondra vokatra maro ka anisan’ny goavana tamin’izany ny nahazoana ny amboara teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy miaraka “mixte” nisy an’i Lova sy i Fana. Ankoatra izay, nandrombaka amboara maro tany France ihany koa toy ny Mondial La Marseillaise, nahitana an’i Tonnerre sy i Yves ary i Lova.
Nanambara ny filohan’ny Federation sport-boule malagasy, fa afapo tamin’ny vokatra azon’ireto mpilalao ireto ary nampiaiky an’izao tontolo izao ny zava-bita satria nandresy ireo kalazalahy frantsay, tao an-taniny nandritra ny “Masters 2025” izy ireo. Tsiahivina fa laharana faharoa ny Malagasy, tamin’io fifaninanana io.
Tsy mbola nody kosa ny vehivavy fa nitodi-doha any France, taorian’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany natao tany Italie. Mbola hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho azy ireo mantsy ry zavavy. Fihaonana hatao any Douaisis, ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany i Tita sy i Fana ary i Hasina sy i Marinah.
Tompondaka




