Hiditra an-tsehatra manomboka amin’ny alahady ho avy izao ireo ekipa 12 hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Lalao telo no voalahatra amin’izany ka anisan’ny andrasan’ny rehetra ny fifandonana eo amin’ny TFA Anatihazo sy ny UASC Cheminots.
Hotanterahina ny alahady 28 septambra ho avy izao ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby na ny “XXL Top 12”. Handray izany fifaninanana izany ny Kianja Makis Andohatapenaka. Fihaonana miisa 3 no voalahatra ka anisan’ny dona andrasan’ny mpankafy ny an’ny TFA Anatihazo sy ny UASC Cheminots (Besetroka).
Lalaon’ny kartie sy boaty mantsy izy ity. Ny Cheminots ekipa vao niakatra avy any amin’ny Top 20. Hangotraka tokoa, araka izany, io fihaonana io. Anatihazo efa tsy zoviana amin’ny rehetra intsony ny fahaiza-manaony. Manana mpilalao feno traikefa ary matanjaka. Ny Besetroka ihany koa tsy ambaka izany. Misy mpilalao tanora ary mavitrika. Milalao ao amin’ny “demi” izy ireo. Izay tsy ampy kotrana izany no ho resy amin’ ity.
Ankoatra izay, hidona amin’ ny FTM Manjakaray ny 3FB Fahasalamana. Klioba roa efa diso mifankahalala tsara. Hanala vela amin’ity ny ekipan’ny Fahasalamana izay ao anatin’ny fanamboarana ny mpilalao ao aminy amin’izao fotoana izao. Manatombo amin’ ny fahaizana sy ny traikefa ry zareo Manjakaray saingy tsy hitsangana fotsiny ny 3FB fa tsy maintsy hanohitra hatramin’ny farany.
Hifampitana koa etsy an-kilany ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Mang’Arts Manjakaray. Tsy vao izao akory ny roa tonta no hifandona fa efa hatry ny ela. Raha tamin’ny fihaonan’ny roa tonta, mbola tsy nandresy Cosfa mihitsy ny Mang’Arts. Eto izany ny valinadin-dry zareo Manjakaray ka ho hita eo izay ho fizotrany ny lalao.
Hanokatra ny lalao, ny maraina, ny sokajy D1 vehivavy. Hifanandrina ny RCTS Soavimasoandro sy ny FTFA Antohomadinika.
Tompondaka




