Tenisy – ITF Tour Juniors J30: Hatao eto Antananarivo ny lalao

Hampiantrano fihaonana iraisam-pirenena ny Fede­rasionina malagasin’ny tenisy (FMT), manomboka ny talata 30 septambra ho avy izao. Hotanterahina eto Antananarivo, eny amin’ny Kianja COT Ilafy izany. Hizara roa miavaka tsara izany fifaninanana izany. Ny andiany voalohany, hotantera­hina ny 30 septambra ka hatramin’ny 4 oktobra ary ny an­diany faharoa kosa ny 7 ka hatramin’ny 11 oktobra 2025.
Tsiahivina fa efa nandray ity fifaninanana ity ny Malagasy, tamin’ny taona 2022. Firenena maro andrarezina amin’ny sokajy zandriny no ho avy handray anjara amin’izany. Ani­san’izany ny Afrikanina Tatsimo, ny Egyptianina, i Zimbabwe sy i Kenya. Mbola andrasana ihany koa ireo firenena hafa. Mety hifaninana amin’ity koa ry zareo maorisianina. Hanana ny lanjany tanteraka ity fihaonana ity, satria sady fakana isa ho an’ireo mpilalao zandriny no hahazoana traikefa. Ny tsy fahampian’ny fihaonana iraisam-pirenena hidonana amin’ireo mpilalao efa manana ny toerany eto Afrika mantsy no lesoka ho an’ireo Malagasy mpilalao zandriny.

Tompondaka

Partager sur: