Hiditra amin’ny dingana manasa-dalana, anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball “1ère division”. Ho an’ny sokajy vehivavy, tafakatra amin’izao manasa-dalana izao ny ekipan’ny GNVB, Squad, AMVB ary ny Asi. Raha hiverenana ny ampahefa-dalana omaly, lalao tena niady ny teo amin’ny Bi’As sy ny AMVB, izay niitatra hatramin’ny “tie break” mihitsy. Mbola tany amin’ny seta voalohany dia efa niady ny lalao, ka azon’ny AMVB izany, tamin’ny isa 29 no ho 27. Anisan’ny nahazoan’ity ekipa herijika ny fidiran’i Jessie sy i Lanto ka mbola nahazoany ihany koa ny seta faharoa, tamin’ny isa 25 no ho 23. Nitsimbadika anefa ny vokatra nandritra ny seta fahatelo sy fahefatra izay norombahin’ny Bi’As ka nitondra ny lalao ho amin’ ny “tie break”. Noho ny traikefa nananan’ny AMVB, nivoaka ho mpandresy izy ireo tamin’ ity “tie break” ity, tamin’ny isa 15 no ho 9. Tetsy ankilany, nivoaka ho mpandresy mazava, tamin’ny seta 3 no ho 0, nanoloana ny mpifanandrina tamin’ireo ekipa vehivavy 3 ambiny. Raha ny fandaharam-potoana anio, hifandona eo amin’ny manasa-dalana voalohany, eo amin’izay sokajy vehivavy izay hatrany, ny GNVB sy Asi, ny Squad ary ny AMVB kosa no hifandona amin’ny manasa-dalana faharoa.
Mi.Raz




