Vahoaka tompon’ny teny farany

Voin-kava-mahatratra! Efa mahazatra sy saika mandeha ho azy izany amin’ny voina lehibe manjo sy iainan’ny firenena toy izao: an’alina ny traboina, maro ny voly tondraky ny rano… Efa saika mila ho isan-taona ny toy izany? Eo koa ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere any atsimo. Tsy mahafa-bela? Na mahazatra… Saingy hafa sy miavaka ny amin’ity taona ity noho izany ao anatin’ny zotram-pifidianana tanteraka. Hanao ahoana?
Na inona na inona mitranga sy atao amin’izao, heverin’ny sasany ho misy antony na dikany na vokany politika avokoa. Raha, sanatria, tsy mahahenika sy mahasehaka amin’ny famonjena ireo traboina sy amin’ny fanarenana ny fahavoazana, ohatra, ny fitondram-panjakana: mety hisy fiantraikany amin’ny fifidianana eo? Eny, na manao izay afany sy efany eo aza izy: mety mbola hotsarain’ny sasany ambony ihany ho famonjena fifidianana.
Mety hisy ny hihevitra sy hiteny izany? Tahaka ny mety hisian’ny manararaotra ny fahavoazan’ny mpiray tanindrazana atao tohatra fiakarana na fitaovana politika; eny, na tsy eo amin’ny fitondrana aza. Mby ao an-tsaina ho azy amin’izany ny fizarana fanampiana, ohatra, firotsahana mivantana amin’ny asa fanarenana… Mety hisy koa ny tsy hanao na inona na inona fa miandry fotsiny izay ataon’ny hafa hisy hotenenina.
Izany rehetra izany, mety misy paipaika sy kajikajy politika avokoa ho an’ny sasany efa vonto sy donton’ny politika? Tsy tongatonga ho azy na mandeha ho azy amin’izao… Nefa tokony hoe mandeha ho azy amin’ny maha olombelona, samy Malagasy… Iaraha-mizaka izay manjo! Saingy noho ny fifidianana, lasa politika ho azy amin’izao avokoa izay mitranga sy atao rehetra? Eo ny vahoaka mandinika, mitsara, manapa-kevitra…
Dingana iray lehibe mitondra ho amin’ny fe-potoam-piasan’ny fitondram-panjakana manaraka eo ny fifidianana. Dingana tsy azo dinganina fa tsy maintsy atrehina sy tanterahina hisian’ny lamina sy fahamarinan-toerana politika. Izay atao handamina sy hahamarin-toerana indray ve no hikorontana na hanakorontana?
Tsy hoe eo ny vahoaka handinika sy hitsara ary hanapa-kevitra, fa eo ny vahoaka no hodinihina sy hotsaraina ary hanapahan-kevitra raha mora handairan-javatra hararaotin’ny sasany hatrany na efa misy fahamatorana amin’ny fanapahan-kevitra amin’izay hoaviny. Ny mpitondra fanjakana sy ny politika hatrany ve no tomponandraikitra eto amin’ny firenena? Nefa ny vahoaka no hoe tompon’ny teny farany…

R. Nd.

Partager sur: