Manaraka akaiky ! Naneho ny heviny sy nanaitra, manoloana ny raharaham-pirenena eto amintsika ny minisitra Frantsay misahana an’i Eoropa sy ny Raharaham-bahiny, ny senatera Repoblikanina Étienne Blanc. Hentitra ny nambarany tamin’ny taratasy, nataony ny 26 janoary teo. “Miha mampanahy hatrany ny fitoniana politika any Madagasikara, taorian’ ny fiampangana sy nampidirana am-ponja ny teratany Frantsay noho ny antony voalaza fa fikasana hanongam-panjakana”, hoy izy. Nanteriny fa hotanterahina amin’ity taona ity ny fifidianana mifanesy eto amintsika. Anisan’izany ny fifidianana filoham-pirenena sy ny hafa. Mipetraka anefany ahiahiny, manoloana ireo.
“Tena velon’ahiahy ny amin’ ny hahatontosana na tsia ny fifidianana ny eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena”, araka ny nambarany.
Malalaka, demokratika
Mitovy amin’ny efa nambaran’ny depiote, Bruno Fuchs, ny herinandro teo koa ity fanairana ity. Milaza izy fa manohintohina ny fahafahana manokana sy ny an’ny rehetra ireo fisamborana nifanesy sy ny fitohizan’ny fanelezana vaovao tsy mitombina na tsy marina. “Antoka amin’ny ho avy mamiratra ho an’i Madagasikara sy ny olom-pirenena ao aminy anefa ny fanatanterahana ny fifidianana mala-laka, mangaraharaha, demokratika”, hoy hatrany izy.
Synèse R.