“Ny leran’ny fifidianana no lera tonga amin’izao. Tsy misy fifidianana mihemotra eto. Ho tapitra amin’ny 31 janoary izao ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Efa ny fifidianana no banjinina”, hoy ny depiote voafidy tao Antananarivo V, tamin’ny anaran’ny IRD, Raholdina Naivo, manoloana ny fijoroana sy fitakian’ny vovonana Lera tamin’ny herinandro lasa teo.
Heveriny fa tsy hisy intsony ny Tetezamita sy ny fiaraha-mitantana. Matoa mbola apetraky ny filohan’ ny Repoblika eo ny governemanta, mbola misy iraka andrasany aminy. Ny azy ireo, izay hahatanteraka ny fifidianana amim-pilaminana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana izao no atao, ary ny fanatanterahana ny vinan’ny filohan’ny Repoblika sy ny fanohizana izany.
Maro anisa
Mbola maro anisa hatramin’izao ny depiote TGV sy ny depiote Mapar, manaraka ny fitsipika mifehy ny antoko fa tsy hanaraka velively an’ io vovonana io. Diso ny filazana hoe betsaka ny depiote miaraka amin’ny fitondrana nifindra lasy na nivadika. “Tsy misy izany. Ny zava-misy no jerena: tsy azo afangaro ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta tsy tanteraka hatramin’ny farany sy io vovonana io”, hoy izy.
Nilaza ity solombavambahoaka ity fa tsy nikendry ny filohan’ny Repobika tamin’iny fitsipaham-pitokisana iny. Misy minisitra vitsivitsy, voalazany fa tsy mahavita azy, ka nanaovana sonia an’iny taratasy iny. ”Samy nanana ny nandraisany an’iny ny depiote. Ny an’ny sasany, ny praiminisitra no nokendrena; ny an’ny hafa, ankasomparana fotsiny hoe zara aza nisy an’ iny”, hoy hatrany izy nitondra ny heviny. Tsy misy ifandraisany amin’ny vovonona lera ny fitsipaham-pitokisana, raha ny filazany.
R. Nd.