Fifanintsanana Mondial : Efa any Mali ny Barean’i Madagasikara

« Tonga sahady! Vonona izahay! » Araka ny loharanom-baovao voaray, omaly, efa any Bamako, Mali, ny ekipam-pirenen’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Na­nainga omaly maraina, tany Côte d’Ivoire, ny Barea. Raha ny fampitam-baovao, salama tsara avokoa ireo mpilalao rehetra ary vonona ny haka fandresena eo anatrehan’i Mali, ny 12 oktobra ho avy io. Lalao tafiditra amin’ny andro fahafolo sady farany, fifanin­tsanana “Mondial 2026” ity hatrehin’izy ireo ity. Hatreto, mbola eo amin’ny laharana faharoa, ao amin’ny vondrona « I » no misy ny Barean’i Ma­dagasikara. Azo lazaina ho efa tsara toerana amin’ny laharana faharoa tsara indrindra aty afrika ny ekipa nasionaly malagasy, ary tsy ma­nana fanantenana ny hahazo tapakila amin’ny « Mondial » intsony i Mali sy i Comores. Efa manana tombony lavitra ny hiatrika izany kosa ny Black Star Ghana, laharana voalohany, manana isa 22, ary na­hatafiditra baolina 16.
Tsara ny mampahatsiahy fa raha mandresy 8 no ho 0 an’i Mali ny Barea, ka resin’i Comores 3 no ho 0, i Ghana, izay vao tafita any amin’ny “Mon­dial” ny Malagasy. Raha ny fikarohana natao, i Gabon no mitana ny laharana voalohany amin’ireo ekipa faharoa tsara indrindra eto Afrika. Manaraka azy ao ny Barea.

Fitia Randria

Partager sur: