VAOVAO TAMBATRA

Mikatona tanteraka ny fotoam-panjonoana an-dranomamy any amin’ny faritra Fitovinany, nanomboka omaly 15 oktobra 2025 hatramin’ny 30 novambra. Azo atao kosa ny manjono eny amoron-drano, saingy tsy azo atao ny mivarotra ny trondro azo. Mahazo manjono kosa ireo mpiompy trondro anaty dobo, saingy, mila fahazoan-dalana hivarotra sy mihinana.

Hatao ny 24, 25 ary ny 26 oktobra 2025 ho avy izao, any Toliara, ny hetsika Vez’tival. Hasongadina mandritra ireo telo andro ireo ny hatsarana, ny kolon­tsaina, ny fizahantany mampiavaka ny any Atsimo. Hisy ny hetsika ara-mozika, dihy, fitetezana tanàna, fanatanjahantena, sy ny maro hafa. Haseho koa ny faha­samihafana na koa ny maha iray antsika Malagasy.

Hita eny an-tsena amin’izao fotoana izao, fa efa betsaka ireo mivarotra ny voankazo manga, sady manao izany ho lasary, toy ny eny Analakely sy Ambo­hijatovo. Araka ny fanadihadiana natao omaly, amidy
1 000 Ariary ny tokon’izany ary ataon’izy ireo 500 ariary kosa ny sachet kely amin’ny lasary. Milaza ireo mpivarotra fa tsy dia ahazoana tombony izy ity saingy io no vokatra misy dia amidy.

Partager sur: