Tafiditra anatin’ny laharam-pahamehan’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michael, ato anatin’ny fohy ezaka, ny sehatry ny angovo. Satria anisan’ny fitakian’ny tanora Gen Z sy ny vahoaka nidina an-dalambe ny tsy fisian’ny jiro sy rano.
Nambaran’ny filoham-panjakana, ny kolonely Randrianirina Michael, omaly, fa anio ihany dia ho eny amin’ny foibe Jirama ny tenany, hijery akaiky ny zava-misy, hikarohana ny vahaolana.
Takaitra efa ela ny olan’ny famatsiana rano sy jiro eto amintsika. Niovaova foana ny mpitantana fa tsy nisy ny vokatra azo notsapain-tanana. Olana ny fifanarahana amin’ ireo mpamatsy angovo tsy miankina sy mpamatsy solika, satria mividy fatiantoka foana ny Jirama. Maherin’ny 2 700 miliara Ar ny trosan’ny Jirama, araka ny tatitry ny Filankevitry ny kaontim-panjakana, ny taona 2024.
Efa nisy ny fifanarahana tamin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), amin’ny hamolavolana drafi-panarenana ny orinasa. Anisan’izany ny hanovana ny sata mifehy azy ho orinasa tsy anavahana anarana (Société anonyme). Tsy nanaiky izany anefa ny sendikan’ny mpiasa. Fepetra nifanarahana tamin’ny FMI koa ny tsy hanampian’ny fanjakana ara-bola ny Jirama intsony, nahatonga io trosa miavosa io, satria saika hanonerana ny trosa amin’ireo mpamatsy angovo sy solika tsy miankina ny ankamaroany.
Tsy nahavaha olana
Anisan’ny vahaolana hamahana ny delestazy ny fampiasana angovo azo havaozina, toy ny avy amin’ny herin’ ny masoandro. Anisan’ny manohana ny tetikasa ny Banky iraisam-pirenena. Tsy tena nahavaha ny olana anefa izany, ary izao miverina izao indray ny delestazy. Tsy mety mihodina ny toby mandeha amin’ny solika manana tanjaka 105 MW, eny Ambohimanambola. Efa 2 taona no nihitsoka tany Toamasina, ary amin’izao fotoana izao vao tafakatra aty Antananarivo ny ampahany voalohany amin’ ireo milina. Tavela ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny ampahany valo ambiny. Mihisatra ny fanatanterahana ny tetikasa “Volobe II”. Eo am-pikarakarana ny antso tolobidy iraisam-pirenena ho an’ny tetikasa “Sahofika”.
Njaka Andriantefiarinesy




