Harena fototarazo: Tapitra ny tetikasa ABS Mada

Niompana tamin’ny fampahafantarana sy ny fizarana ny tombontsoa amin’ny harena voajanahary, ambara hoe, fototarazo ny tetikasa ABS Mada. Anisan’izany ny karazana zavamaniry fanao fanafody nentim-paharazana, na koa ara-tsiansa.
Nisy ny tetikasa Fampahafantarana sy fizarana ny tombontsoa (APA), nanao tantsoroka mba hahafahan’ny mpisehatra tsirairay misitraka. Nanomezan-danja ny harena fototarazo (ressources génétiques) sy ny fahalalana nentim-paharazana tanterahin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana maharitra (Medd) izany.
Anisan’ny nangatahin’ny sehatra tsy miankina tamin’ny alalan’ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama), ny famolavolana andinin-dalàna momba ny APA tamin’ny septambra 2023. Tanjona ny hampanarahana ny lalàna ny fitrandrahana harena voajanahary fototarazo.
Nifototra tamin’ny fanatanterahana ny Fifanarahan’i Nagoya ny tetikasa APA. Mahakasika faritra miisa 12, kaominina 45 ary fokontany 121. Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy tany Andasibe, ny herinandro lasa teo, ny tetikasa ABS Mada rehefa niasa nandritra ny 4 taona (2021-2025).

Njaka A.

Partager sur: