Nanao tohivakana ny fanambarana. Anisan’ny naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, indrindra ny hiatrehana ny fifidianana ny any amin’ny faritra Atsinanana. Niray feo izy ireo amin’izany.
“Nifanome toromarika sy nanapa-kevitra ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna ao anatin’ny faritra Atsinanana, faritany Toamasina, fa mangataka ny mbola hirotsahan’ny filohan’ny Repoblika hofidina indray amin’ny fifidianana manaraka eo”, hoy ny loholonan’i Madagasikara miahy ny faritany Toamasina, i Manasoa Donat Tang, tao anatin’ny fanombohan’ ny taom-pambolen-kazo tany Ilaka Atsinanana, distrikan’i Vatomandry, faritra Atsinanana, tamin’ny faran’ny herinandro teo.
Mitodika any amin’ireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana izy amin’ izany, araka ny nambarany. Teo ireo ben’ny Tanàna 91 ato amin’ny faritra Atsinanana, ireo ben’ny Tanàna miisa 20 avy any Alaotra Mangoro, ireo ben’ny Tanàna maro avy amin’ny faritra Analanjirofo.
Manao ranolava ny fangatahana
Mitondra ny tenin’izy ireo ny tenany, satria namory azy ireo. Nifandinika sy nifandresy lahatra ary nanapa-kevitra izy ireo, fa mbola misy tany ivelany no nampidirina an-trano ny amin’izay fangatahana ny filohan’ny Repoblika izay mba hirotsa-kofidina indray izy.
Tsiahivina fa efa maromaro sy nanao ranolava ireo fikambanana sy antoko politika, efa nanao fanambarana ary mirona sy maneho hevitra amin’ny fangatahana ny hirotsahan’ny filoha Rajaoelina Andry indray amin’ny fifidianana filoham-pirenena, amin’ ity taona ity. Anisan’ny efa nanao izany ny TGV eto Antananarivo Renivohitra. Eo koa ireo fikambanana hafa, tahaka ny Ifi….
R. Nd.