Mifandray amin’ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana. Nandray ireo tantsaha, teknisianina sy injenera ary mpampiofana miisa 30 mianadahy hihazo atsy Zimbaboe ny filoha Rajoelina Andry, ny alahady teo.
Hiofana manokana momba ny fambolena miaraka amin’ny “Foundation for farming” izy ireo izao notsofina rano teny amin’ny Lapan’ Iavoloha izao. Mifanindran-dalana amin’ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana mba hanohanana ny sehatry ny fambolena sy fiompiana mba hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto amintsika ny fanomezana fiofanana tahaka izao ho an’ireo tantsaha.
Nahazoana fanohanana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka nandritra ny dian’ ny filoha Rajoelina Andry tany Dakar vao andro vitsy lasa izao fiofanana izao. Nitsodrano azy 30 mianadahy ireo ny filoha mba haleo halasana amin’izany fiofana izany. “Mba hitondra ny anjara biriky ianareo amin’ny fanatsarana ny taham-pamokarana sy ny fahatratrarana ny fanambin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto amin’ny firenena”, hoy izy.
Hizara ny fiofanana amin’ireo tantsaha
Tsiahivina fa fantatra amin’ny fampiasana ny teknikam-pambolena “PFUMVUDZA” ny “Fondation for farming”. Natao io hanatsara ny voka-pambolen’ireo tantsaha, mba hahaleo tena ara-tsakafo. Eo indrindra koa ny lafiny teknika miahy sy miaro ny tontolo iainana.
Maherin’ny dimy tapitrisa manerana an’i Afrika ireo tantsaha, efa mampiasa io teknika io. Hizara ny traikefa sy ny fiofanana azony amin’ ireo tantsaha manerana ny Nosy izy 30 mianadahy ireo, rehefa tafaverina an-tanindrazana.
Synèse R.